๐๐ง๐ญ๐๐ง๐๐ง๐๐ซ๐ข๐ฏ๐จ, ๐๐ ๐จ๐ค๐ญ๐จ๐๐ซ๐ ๐๐๐๐-
Nody ventiny ny rano nantsakaina, tontosa taminโity andro anio ity, teny Ivandry ny Atrikasa ho fankatoavana ny Drafitrโasam-pirenena momba ny fiarovana ara-pahasalamana rehefa novolavolaina nandritra ny volana maro.
Andrim-panjakana samihafa sy Mpiaramiombonantoka maro no niara-nikaon-doha taminโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka taminโny famolavolana sy ny fankatoavana azy ity, anisanโizany ny avy eo anivonโny Primatiora, ny avy aminโny Banky iraisam-pirenena sy ny Fikambanambe iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS).
Noho ny ezaka lehibe nataonโny rehetra dia afaka mirehareha araka izany i Madagasikara fa anisan’ireo firenena manana izao Drafitrโasam-pirenena izao, ary ho afaka hiatrika ireo fanamby mikasika ny loza sy hamehana ara-pahasalamana.
SCM/DIRCOM-MSANP