Didim-panjakana laharana faha 2020-70 anendrena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta

NY FILOHAN’NY REPOBLIKA,
– Araka ny Lalam-panorenana;
– Araka ny didim-panjakana laharana fahasivy ambin’ny folo sy roa arivo tsipika efatra ambin’ny folo aotra fito, tamin’ny sivy ambin’ny folo jolay, taona sivy ambin’ny folo sy roa arivo, anendrena ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta;
– Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta,

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA IZAO:
– Tendrena ho mpikambana ao amin’ny Governemanta ity olona voalaza anarana manaraka ity:

– Voatendry ho Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka :

Profesora Ahmad Ahmad