HO ANTSIKA IZAY MONINA ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA SY NY MANODIDINA KA MISY SORITR’ ARETINA « COVID-19 », hisorohana ny tranga misy fahasarotana sy hanamoràna ny fandraisana an-tanana antsika, entanina isika hanatona avy hatrany ireo Tobim-pahasalamana Fototra (CSB II) manaraka ireto.

 

ANTANANARIVO-RENIVOHITRA (18)

Ireo CSB II rehetra izay miisa 18

ANTANANARIVO ATSIMONDRANO (04)

  • Csb II Andoharanofotsy
  • Csb II Tanjombato
  • Csb II Fenoarivo
  • Csb II Itaosy Cité

ANTANANARIVO AVARADRANO (05)

  • Csb II Ambohimangakely
  • Csb II Ambohimanambola
  • Csb II Alasora
  • Csb II Ankadikely Ilafy
  • Csb II Sabotsy Namehana

FANAMARIHANA :

Aoka isika hanaraka an-tsakany sy an-davany ny fandaminana eny anivon’ireny Toeram-pitsaboana ireny.

Anjaran’ny mpitsabo no manao ny fizaham-pahasalamana antsika ary manoratra ny fanafody izay mifandraika amin’izany.

Maimaimpoana ny fizahana sy ny fanafody hitsaboana ny « Covid-19 » eny amin’ireo Toeram-pitsaboana fototra ireo.

#Malagasy_mifanohana_mandresy_ny_coronavirus