Tontosa io tolakandro io ny fihaonana andiany voalohany izay niarahan’ny Fitaleavana misahana ny serasera (Dir.Com) eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo tomponandraikitry ny serasera (Point Focal en Communication/Direction).
Fihaonana izay nampahafantarana ny anjara andraikitry ny « Dir.Com » sy ireo lamina vaovao entiny hanatsaràna sy handrindràna ny serasera anatiny sy ivelany eto anivon’ny Ministera.
Velirano fahadimin’ny Mpitondra ankehitriny ny hanome fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka, antoka iray ahazoana fahombiazana amin’ny fanatanterahana izany ny fahaizana miserasera sy mampita hafatra na eo amin’ny lafiny fisorohana izany, na eo amin’ny lafiny fitsaboana sy fandraisana an-tanana izay anisan’ny vaindohan-draharahan’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis.
Tsy adino ihany koa ny fampahafantarana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny anjara andraikitr’ireo foibe sy sampan-draharaha misy ao aminy. Eo ihany koa ny fanabeazana ny vahoaka hanana toe-pahasalamana mendrika, hahay hisitraka sy hampiasa ireo tolotra ara-pahasalamana hita eny anivon’ireo Tobim-pahasalamana maro manerana ny Nosy, hahafahantsika misoroka sy mandresy ny valanaretina.
Sary sy fanadihadiana: DirCom/SCM-MSANP