Nandritra ny fandalovan’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis teto Nosy Be (Hell-ville) androany dia nanararaotra ihany koa ny tenany nijery ny fandrosoan’ny asa fananganana ny « Laboratoire Biomédicale » ao amin’ny CHRD. Laboratoire izay nampanantenain’ny Filoham-pirenena tamin’ny fandalovany taty Nosy be, izay iaraha-miasa amin’ny OMS Madagascar.
Toy ny fanaony mahazatra dia niresaka sy nampahafantatra tamin’ireo Manampahefana sy Mpiasan’ny fahasalamana eto an-toerana mikasika ny laharaham-pahamehana hitondrany ny Ministera, ihany koa Andriamatoa Minisitra. Anisan’izany ny ady amin’ny Kolikoly, ny fampiharana ny fitsaboana manaja ny maha-olona. Ohatra mivantana nambarany tamin’izany ny handraisana ireo marary amin’ny tsikitsiky, fanoroana azy ireo ny lamina arahina ary indrindra ny fanomezana azy fitsaboana mendrika.
Sary sy fanadihadiana: DirCom/SCM-MSANP