Aretina faha-efatra miteraka fahafatesana betsaka eto amintsika ny Tazomoka.

Ho fanatsaràna ireo paikady entin’ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo Mpiara-miombon’antoka aminy hampihenana ny taha-pahafatesana aterak’io areti-mandoza io dia misy ny atrik’asa izay tanterahina eto Antsirabe renivohi-paritr’i Vakinankaratra manomboka androany faha-16 novambra 2020 ary haharitra 05 andro.

Atrik’asa izay hanaovana tomban’ezaka sy handrindràna ny fizaràna Lay misy odimoka maharitra amin’ny Taona 2021.

Sary sy fanadihadiana: DirCom/SCM-MSANP

#Matoria_mandava_taona_anaty_lay_misy_ody_maharitra

#Malagasy #tsy_ho_fatin_ny_Tazomoka

#MSANP #USAID #PNLP #IMPACT_PMI