Niavaka ny fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka androany Alatsinainy 12 jolay 2021 satria dia teny amin’ny CSB II Ambohidroa no nanatanterahana izany.

Anjaranโ€™ny ยซ Direction des hรดpitaux des rรฉgions et Districts ยป na DHRD no nitatitra ireo vaovao nisongandina taminโ€™ny herinandro lasa sy ireo kinasa ho aminโ€™ity herinandro vaovao itv.

Ao anatin’ny tanjon’ny Ministeranโ€™ny fahasalamam-bahoaka ny hametraka fitantanana tsara rindra manomboka aty amin’ny foibe hatrany amin’ireo ratsa-mangaika rehetra misy ao aminy, ka izany indrindra no antony nanatanterahana ny fananganan-tsaina tety amin’ny CSB II Ambohidroa.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana dia nanambara Andriamatoa Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka, Pr RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis fa ho atao laharam-pahamehana manomboka izao ny fanatanterahana ny ยซย Plan d’รฉmergence du Grand Sudย ยป.

Nasiany resaka manokana ihany koa ny mikasika ny vaksiny ary tamin’izany no nilazany fa ho atao faran’izay haingana ny hahazoantsika ny vaksiny ยซย Covishield ย ยป andiany faha-2. Ankoatr’izay ny Ministeranโ€™ny fahasalamam-bahoaka dia manao ny ezaka rehetra mba ahafahana mahazo ao anatin’ny fotoana fohy ihany koa ny vaksiny ยซย Jansenย ยป na ยซย Johnson Johnsonย ยป.

Nanamafy sy nanentana mikasika ny fanajana ireo fepetra sakana ihany koa ny tenany, izay hany paikโ€™ady mahomby hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina.

Ny Ministeranโ€™ny fahasalamam-bahoaka dia nametraka fanamby ny hanatsara hatrany ny fandraisana eny anivon’ireo Hopitaly sy Tobimpahasalama rehetra sy ny hanome tolotra ara-pahasalamana manaja ny maha-olona.

Teo am-pamaranana dia nanao fanentanana Andriamatoa Ministra ny amin’ny hanajana ireo fitaovam-panjakana eny anivon’ireo Tobim-pahasalama manerana ny Nosy.

Sary sy angom-baovao : SCM/DirCOm-MSANP