Nosafidianโ€™ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis ny CSB II Ambohidroa omaly Alatsinainy 12 jolay 2021, nanaovana fidinana ifotony sy nitsidihana ireo mpiasan’ny fahasalamana eny amin’ny CSB II Ambohidroa.
Taorian’ny fananganan-tsaina dia nitafa nivantana tamin’ireo olona tonga nizaha fahasalamana teny an-toerana Andriamatoa Ministra, nanadihady ny amin’ny fomba fandraisana eo anivon’ny CSB II.
Hita teny an-toerana fa maro ireo Raiamandreny tonga nitondra ny zanany ho atao vaksiny ary dia nanentana azy ireo ny amin’ny hanaovana vaksiny ireo zaza ara-dalร na Andriamatoa Ministra.
Niresaka tamin’ireo vehivavy tonga hanao fandrindrana fiainam-pianakaviana ihany koa ny tenany ary nitondra fanazavana mikasika ireo karazana fandrindram-piterahana afaka ataon’ny renim-pianakaviana.
Tao aorian’izay dia nisy ny lamina izay napetrak’ Andriamatoa Ministra niaraka tamin’ireo ยซย Mรฉdecin Chefย ยป sy ny ยซย Chef CSBย ยป teny an-toerana ho fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana eny amin’ny CSB II Ambohidroa.
Sary sy angom-baovao: SCM/Dircom-MSANP