Tao anatin’ny ady amin’ny valanaretina Coronavirus, maro ireo fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana hanamorana ny fiatrehana ny ยซย 2รจme vagueย ยป. Miisa 7 ireo CTC-19 nosokafana, nisy ireo trano fandraisam-bahiny navadika ho hopitaly vonjimaika. 800 mahery ireo olona izay noraisina nanao fifanarahan-kasa an-tsitrapo na ยซย volontariatย ยป hiandraikitra ireo toerana fandraisana marary ireo.
Nivahiny tao amin’ny Televiziona Malagasy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis omaly Talata 13 jolay 2021 nanazava mahakasika ny karaman’ireo olona niasa teny amin’ny CTC-19 sy Hรดtels-Hรดpitaux ireo.
Noho ny fikarakarana taratasy hoy izy no mbola tsy nahafahan’ireo sasany nisitraka ny anjara karamany. Efa nisy tokoa mantsy ireo izay efa nahazo izany ary efa nanomboka omaly maraina ihany koa ny fandoavana ny an’ireo andiany faharoa.
Nomarihan’ny Minisitra tompon’andraikitra tsara kosa anefa fa efa nisitraka ny karama telo volana avokoa izy ireo.
Mahakasika ny prime exceptionnelle covid kosa dia nanambara Andriamatoa Minisitra fa efa maro no nahazo ny anjarany na ny teto an-dRenivohitra na ny amin’ny Faritany.

—————-

Afin de faciliter la prise en charge de la 2 รจme vague de la pandรฉmie de Covid-19 qui a touchรฉ Madagascar, nombreuses mesures ont รฉtรฉ prises par le gouvernement. Sept CTC-19 ont ouvert leurs portes, bon nombre d’Hรดtels ont รฉtรฉ convertis en Hรดpitaux temporairement, plus de 800 personnes ont รฉtรฉ recrutรฉes sous contrat de 1 an. Le Ministre de la Santรฉ Publique, Prof.RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis a expliquรฉ hier lors de son intervention dans l’รฉmission de journal de la TVM son point de vue sur les salaires des personnels affectรฉs dans les CTC-19 et Hรดtels-Hรดpitaux. Certains n’ont pas encore pu acquรฉrir leur part de salaire en raison de la paperasse a-t-il dรฉclarรฉ. Un paiement qui a dรจs lors dรฉjร  commencรฉ hier matin. Cependant, le Ministre Responsable a notรฉ que tous ont dรฉjร  reรงu les trois mois de salaire.
Concernant la prime exceptionnelle Covid-19, beaucoup ont dรฉjร  reรงu leur part que ce soit dans la Capitale ou dans les provinces dixit le Ministre de la Santรฉ Publique.