Nidina tampoka teny anivon’ny hopitalim-panjakana CHUJRB Befelatanana, Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY androany maraina. Nandeha teny amin’ny CSB 2 Ambohipo ihany koa ny tenany tamin’ny atoandro.
Anton’izany ny fitadiavana ireo fanatsarana tokony hatao hanatanterahana ny Programa ankapoben’ny Fanjakana sy ny Velirano fahadimy nataon’ Andriamatoa Filoham-pirenena tamin’ny vahoaka Malagasy.
  
« Zo fototry ny olombelona miaina rehetra no misitraka ny fahasalamana, ary laharam-pahamehan’ izao Fitondram-panjakana izao araka ny velirano fahadimy nataon’ny Filoha Andry RAJOELINA tamin’ny vahoaka ny hoe Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona.
Ity Governemanta vaovao ity dia Governemanta miasa, midina ifotony…mijery ny zavatra iainan’ny olona. Tsy misy ny tanteraka fa ny zavatra hita efa misy zavatra tsara ary efa misy ezaka be nataon’ny mpiasan’ny fahasalamana…ny antony idinana ifotony dia mba ahafahana mametraka paik’ady hanànana ny tsaratsara kokoa hatrany mba ho tonga amin’ny tanjona, tolotra ara-pahasalamana manara-penitra no omena ny vahoaka malagasy… » araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitra hatrany.
SCM/DirCom-MSANP